Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:7 - DIEM PROTESTANTA

7 «Mahereza ka matanjaha. Aza matahotra na mivadi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny miaramila rehetra izay entiny; fa misy hery lehibe kokoa miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 «Mahereza ka matanjaha. Aza matahotra na mivadi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny miaramila rehetra izay entiny; fa misy hery lehibe kokoa miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 «Matanjaha sy mahereza, fa aza matahotra na manam-badi-po eo anoloan’ny mpanjakan’i Asiria sy ireo vahoaka maro be momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Mahereza ka matanhaja; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’i Asyria sy ny hamaroan’ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan'i Asyria sy ny hamaroan'ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Mahereza ka matanjaha; aza matahotra na mivadi-po noho ny mpanjakan’i Asiria sy ny hamaroan’ny olona rehetra izay entiny; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:7
27 Rohy Ifampitohizana  

Ary aza mety hotarihiny hitoky amin’ny TOMPO koa ianareo raha ilazany fa ny TOMPO no hamonjy anareo ka hisakana ahy tsy haka ity tanàna ity.


Fa ny TOMPO Andriamanitr’i Israely no nitokian’i Hezekià, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’ny mpanjakan’i Joda rehetra izay talohany sy izay nandimby azy.


Fa novaliany hoe: –Aza matahotra fa be lavitra noho ny mpomba azy ny mpomba antsika.


Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po.


Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.»


Ary hoy koa i Davida tamin’i Salômôna zanany: –Mahereza sy matanjaha ka mahefà! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon’ny TOMPO.


Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana; satria hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.


Tamin’izany fotoana izany dia nankeo amin’i Asà, mpanjakan’i Joda, i Hananỳ mpaminany ka nanao taminy hoe: –Tsy ny TOMPO Andriamanitrao no niankinanao fa ny mpanjakan’i Siria; noho izany, dia votsotra tsy ho eo ambany fahefànao ny tafiky ny mpanjakan’i Siria.


ka niteny hoe: –Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin’i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Jôsafata mpanjaka. Izao no lazain’ny TOMPO aminareo: «Aza matahotra na mivadi-po ny amin’io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo.


Ry mponin’i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen’ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miaingà hifanehatra amin’io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo.»


Rehefa nijery izany aho, dia niainga nilaza tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa hoe: –Aza atahorana ny fahavalonareo! Tsarovy fa ny Tompo no lehibe sy mahatahotra; ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny tranonareo.


Aleo mialoka amin’ny TOMPO toy izay mialoka amin’ny olombelona;


Lazao amin’izay kivy hoe: «Mahereza, aza matahotra; indro ny Andriamanitrareo tonga hitondra famaizana ka hanasazy ny fahavalonareo; Izy mihitsy no tonga hamonjy anareo.»


Koa aza matahotra ny mpanjakan’i Babilôna intsony. Eny, Izaho TOMPO no manao teny hentitra hoe: Aza matahotra azy fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo teo am-pelatanany.


sady nanao tamiko hoe: ‹Aza matahotra! Fara-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao! Mahereza ary mahatanjaha!› Koa arakaraky ny nitenenany tamiko no nampahatanjaka ahy, ka hoy aho taminy: ‹Aoka àry hiteny ianao, tompoko, satria efa nampahery ahy.›


Amin’izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin’ny sisin’akanjony, ka hitambezo aminy hoe: ‹Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra›.»


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran’ny mpaminany tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko.


Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?


Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina.


Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.


Avy eo dia nofeperan’ny TOMPO i Josoa, zanakalahin’i Nona, ka nilazany hoe: –Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Israelita hiditra ao amin’ny tany izay nianianako taminy homena azy, Izaho mihitsy no hiaraka aminao.


Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra