Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 2:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny alalan’ny fahasoavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 KOA hianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy* Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 2:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao,


Miambena ianareo, mamahara tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.


Farany, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo dia matanjaha ombàn’ny heriny tsy hay tohaina.


Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy manome hery ahy.


Ry Timôty zanako, izany fepetra izany no atolotro anao, araka ireo hafatr’Andriamanitra voalaza fahiny tamin’ny fanendrena anao. Raiso ireo ho fitaovam-piadiana amin’ny ady tsara,


Mamangy anao aho, ry Timôty, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Tompontsika!


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Mamangy anao aho, ry Timôty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika!


Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen’Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.


Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin’Andriamanitra, mba hahazoan’ireo koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra maharitra mandrakizay.


Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.


Eny, aoka ho sahy sy hahery tokoa ianao mba himasoanao ny hanao araka ny lalàna manontolo izay nampitain’i Mosesy mpanompoko taminao. Aza misy anaovana tsirambina mihitsy izany na kely aza, dia hahomby ianao amin’izay rehetra ataonao.


Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra