Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 2:21 - DIEM PROTESTANTA

Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary rehefa feno enimpolo taona i Hetsirôna, dia nalainy ho vady ny zanakavavin’i Makira rain’i Gilehada ka niterahany an’i Segoba.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’i Segoba taminy ravehivavy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin'ny zanakavavin'i Makira, rain'i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an'i Segoba taminy ravehivavy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tatỳ aoriana dia niray tamin’ny zanakavavin’i Makira, rain’i Gileada, i Hezrona. Enimpolo taona izy raha naka azy ho vady; ary niteraka an’i Segoba taminy Ravehivavy;

Jereo ny toko



1Tantara 2:21
9 Rohy Ifampitohizana  

ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase.


I Hora no ray niteraka an’i Orỳ; ary i Orỳ no ray niteraka an’i Betsalela.


I Segoba no ray niteraka an’i Jaîro izay nanana tanàna telo amby roapolo tao amin’ny tanin’i Gilehada.


Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada.


Ny fokon’i Manase dia nisy ireto tarika ireto: ny Makirita avy tamin’i Makira; ny Gilehadita avy tamin’i Gilehada zanakalahin’i Makira.


Nisy ireo zanakavavin’i Tselôfehada, zanakalahin’i Hefera sy zafin’i Gilehada, ary zafiafin’i Makira sy zafindohalik’i Manase; ireo vehivavy ireo, izay avy tamin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa, dia i Mahalà sy i Nôhà, i Hôglà sy i Milkà ary i Tiritsà.


Mba lasa koa ny taranak’i Jaîro zanakalahin’i Manase naka ny tanàna madinika teo amin’ny Amôrita ka nanome anarana azy hoe «Havôta-Jaîro».


Ny terak’i Makira kosa nomeko faritany Gilehada.