Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 7:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela sy i Makira; ilay vehivavy sirianina, vadikelin’i Manase, no niteraka azy roa lahy. I Makira no rain’i Gilehada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ny zanakalahin’i Manase dia Asriela, izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’i Makira, rain’i Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ny zanakalahin'i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an'i Matira, rain'i Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ny zanakalahin’i Manase dia i Asriela, izay naterany tamin’ilay vady tsindranony arameana, izay niteraka an’i Makira, rain’i Gileada.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 7:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.


ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase.


Ny zanakalahin’i Naftalỳ dia i Jahasiela sy i Gonỳ ary i Jetsera sy i Saloma: samy zafin’i Bilehà ireo.


Naka vady ho an’i Hopima sy ho an’i Sopima i Makira. Ny anaran’ny vadin’i Makira dia i Mahekà, ary ny anaran’ny lahiaivony dia i Tselôfahada izay tsy nanana afa-tsy zanakavavy.


Ny taranak’i Jôsefa, araka ny fokony avy, dia ny Manasita sy ny Efraîmita.


Nisy ireo zanakavavin’i Tselôfehada, zanakalahin’i Hefera sy zafin’i Gilehada, ary zafiafin’i Makira sy zafindohalik’i Manase; ireo vehivavy ireo, izay avy tamin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa, dia i Mahalà sy i Nôhà, i Hôglà sy i Milkà ary i Tiritsà.


ao anatiny koa ny antsasak’i Gilehada, ary i Hastarôta sy i Edrehỳ renivohitry ny fanjakan’i Hôga mpanjakan’i Basàna. Izany no faritany azon’ny taranak’i Makira zanakalahin’i Manase; azon’ilay antsasaky ny taranak’i Makira izany ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ireo taranaka avy any Efraîma dia efa tonga ao an-dohasaha, ka narahin’ny fokon’i Benjamîna izay nifangaro tamin’ny andian-tafiny. Nipoitra avy amin’ny terak’i Makira ireo mpitari-tafika ary avy amin’ny fokon’i Zebolòna ireo manampahefana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra