1Tantara 1:34 - DIEM PROTESTANTA I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka. Ny zanakalahin’i Itsehàka dia i Hesao sy i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Abrahama no niteraka an’Isaka. Ny zanakalahin’i Isaka dia i Esao sy Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka. Ny zanakalahin’i Itsehàka dia i Hesao sy i Israely. Baiboly Katolika I Abrahama niteraka an’i Isaaka. Zanak’i Isaaka: i Esao sy i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Abrahama niteraka an’Isaka. Ny zanakalahin’i Isaka dia Esao sy Isiraely. Malagasy Bible Ary Abrahama niteraka an'Isaka. Ny zanakalahin'i Isaka dia Esao sy Isiraely. La Bible en Malgache I Abrahama no niteraka an’Isaka. Ny zanakalahin’i Isaka dia i Esao sy Israely. |
Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.
Ny zanakalahin’i Midiàna dia i Hefà sy i Hefèra, i Hanôka sy i Abidà ary i Eldahà. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketorà.
I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy.
zafim-paladian’i Jakôba, ary zafin-dorian’i Itsehàka; dia i Itsehàka zanakalahin’i Abrahama, zafin’i Terà, zafiafin’i Nahôra,
Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.