Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 1:2 - DIEM PROTESTANTA

2 I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 I Abrahama dia niteraka an’Isaka; Isaka dia niteraka an’i Jakoba; i Jakoba dia niteraka an’i Joda mirahalahy avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 i Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Abrahama niteraka an’i Isaka; ary Isaka niteraka an’i Jakoba; ary Jakoba niteraka an’i Joda mirahalahy avy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 I Abrahama dia niteraka an’Isaka; Isaka dia niteraka an’i Jakoba; i Jakoba dia niteraka an’i Joda mirahalahy avy;

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 1:2
27 Rohy Ifampitohizana  

Izao no tantaran’i Itsehàka: I Itsehàka dia zanakalahin’i Abrahama.


Taorian’izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr’i Hesao ka natao hoe Jakôba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehàka tamin’ny nahaterahan’izy mirahalahy.


Ny zanakalahin’i Abrahama dia i Itsehàka sy i Jismahela.


I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka. Ny zanakalahin’i Itsehàka dia i Hesao sy i Israely.


Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako,


Hevero i Abrahama rainareo sy i Sarà izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahîko izy sy nohamaroiko!»


Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.


I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama.


Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.


Finoana no nahazoan’i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon’i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.


Eny, fantatra mazava tsara fa avy amin’ny fokon’i Joda no nipoiran’ny Tompontsika; ary izany foko izany, rehefa niteny momba ny mpisorona i Mosesy, dia tsy mba voatonony velively.


Avy tamin’ny fokon’i Joda: 12 000 no voaisy tombokase. Avy amin’ny fokon’i Reobena: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Gada: 12 000.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra