Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely satria nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:29
18 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hatao hoe Abrama intsony ny anaranao fa hanjary Abrahama, satria hataoko razamben’ny firenena maro ianao.


ary nitenany hoe: –I Jakôba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely. Dia nataon’Andriamanitra hoe Israely ny anarany;


Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano


ka naka vato 12 izy araka ny isan’ireo fokon’ny taranak’i Jakôba izay nitenenan’ny TOMPO hoe: «Israely no ho anaranao».


Ny taranak’ireo vahiny ireo dia mbola manarakaraka izany fomba tranainy izany mandraka androany, fa tsy tena manaja marina ny TOMPO. Samy tsy tena arahiny na ny fomban-drazany, na ny lalàna sy ny didy izay nandidian’ny TOMPO ny taranak’i Jakôba, dia ilay Jakôba nomeny anarana hoe Israely.


I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka. Ny zanakalahin’i Itsehàka dia i Hesao sy i Israely.


Moa azonao takarina ve ny zava-dalina momba an’Andriamanitra na koa azonao fantarina ve ny fahatanterahan’ilay Tsitoha?


Iza no efa niakatra tany an-danitra ka nidina avy tany indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin’ny lambany? Iza no nandraikitra ny faravazan-tany rehetra? Iza no anarany? Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao.


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edôma i Mosesy hilaza aminy hoe: –Izao no lazain’ny israelita rahalahinao. Fantatrao ny fahoriana rehetra nahazo anay.


Dia novalian’ny anjely hoe: –Izaho no Gabriela, ilay mijoro eo anatrehan’Andriamanitra mba hanompo Azy; nirahiny aho hiteny aminao sy hanambara aminao izany hafatra mahafaly izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra