Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 32:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Dia nanontany i Jakoba hoe: Miangavy Anao aho, mba lazao izay anaranao! Ary hoy Izy: Nahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Dia nanontany i Jakoba hoe: Miangavy Anao aho, mba lazao izay anaranao! Ary hoy Izy: Nahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 32:30
28 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Hagara anakampo: «Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho!» Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: «Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.»


Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon’Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran’izany tanàna izany taloha.


Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano


Ary nampamboarin’i Jerôbohama ho tanànamimanda i Sekema any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraîma ka nonenany. Rehefa niala tao Sekema izy, dia nampamboatra an’i Penoela ho tanànamimanda koa.


Dia namaly ny TOMPO hoe: –Izaho mihitsy no handeha hiaraka aminao, ka hanome anao fiadanana!


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.


Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ny teny mazava fa tsy miafina; ary mahita Ahy TOMPO miseho aminy izy; koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?


Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.


Ankehitriny tokoa dia mahita manjavozavo toy ny amin’ny fitaratra isika, fa rahatrizay vao hahita mifanatrika. Ankehitriny dia sombiny no zavatra fantatro, fa rahatrizay aho vao hahafantatra tsara toy ny ahafantaran’Andriamanitra ahy.


Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.


Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.


Gaga aho fa tsy toy inona akory dia ilaozanareo ilay Andriamanitra niantso anareo tamin’ny fahasoavan’i Kristy, ka dia Vaovao Mahafaly hafa no itodihanareo.


ka mangataka amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin’ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an’Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa.


Teo amin’i Israely, dia tsy mba nisy intsony mpaminany tahaka an’i Mosesy, izay fantatry ny TOMPO nifanatrika.


ka nitondra ny teninareo tamiko hoe: «Indro efa nampahitan’ny TOMPO Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany izahay sady efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa tsapanay androany fa itenenan’Andriamanitra ny olona saingy mbola velona aina ihany.


I Kristy dia endrik’ilay Andriamanitra tsy hita. Izy no Zanaka lahimatoa, ambonin’ny voaary rehetra.


kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin’ny nisehoan’ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin’ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalòvana tamin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly.


Finoana no nandaozan’i Mosesy an’i Ejipta ka tsy natahorany izay hatezeran’ny mpanjaka; fa naharitra tamin’ny fanapahan-keviny izy, toy ny nahita maso an’ilay Andriamanitra tsy hita.


Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?


ka nanontaniany hoe: –Iza moa no anaranao mba hanomezanay voninahitra anao, rehefa tanteraka ny teninao?


Ary hoy ilay anjelin’ny TOMPO taminy: –Ahoana moa no anontanianao ny anarako? Anarana mahagaga izany!


Noravany koa ny tilikambon’i Peniela ary novonoiny ny mponina tao.


Avy teo i Gidehôna nankany Peniela, ary nilaza fangatahana tahaka izany koa tamin’ny mponina tao. Kanefa ny mponina tao Peniela dia namaly tahaka izay nataon’ny olona tao Sokôta ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra