Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 8:4 - Baiboly Katolika

Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray, hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema, samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema; ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, mbola hisy lehilahy sy vehivavy antitra hipetrapetraka eny an-kianjan’i Jerosalema; ka isan’olona ireo, noho ny fahanterany, dia samy hitondra tehina an-tanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dàlamben’i Jerosalema, samy hitehina amin’ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Mbola hisy lahy antitra sy vavy antitra hipetraka eny an-dalamben'i Jerosalema, samy hitehina amin'ny tehina eny an-tànany isan-olona noho ny fahanterany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema, samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;

Jereo ny toko



Zakaria 8:4
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainana.


Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.


raha manaritra ny anankiray ka afa-mitsangatsangana any ivelany miankina amin’ny tehina; nefa kosa tsy maintsy onerany ny andro tsy niasany ary hiantohany ny fitsaboana azy.»


Amin’izany, hifaly amin’ny dihy ny zazavavy, mbamin’ny zazalahy, sy ny anti-panahy koa. Hampodiko ho fifaliana ny fisaonany, halàko alahelo, hampifaliako izy ireo manaraka ny fijaliany.


Honina ao avokoa i Jodà sy ny tanànany rehetra, ny mpiasa tany mbamin-dry zareo mitarika ny biby fiompy.


Dia namaly Izy nanao hoe: «Iretsy no tandroka nampihahaka an’i Jodà, ka tsy nisy olona nanatràka loha akory; fa ireto kosa, tonga hampahatahotra azy mafy, ary hanjera ny tandrok’ireo firenena nanangan-tandroka hamely ny tanin’i Jodà mba hampihahaka azy.»


Fa ny nohatoninareo dia ny tendrombohitr’i Siôna tanànan’Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian’ny Anjely alinalina,


Indro tonga ny andro hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin’ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony amin’ny taranakao.


Ianao hahita ny fonenanao amin’ny fotoana hamenoan’Andriamanitra soa an’i Israely: ary amin’ny taranakao tsy hisy lehilahy tratra antitra intsony, na oviana na oviana.