Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 2:1 - Baiboly Katolika

Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka efatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka* efatra.

Jereo ny toko



Zakaria 2:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Indro fa Izaho no nahary ny mpanefy, izay mifofotra ny arina mivaivay, ka manatsoaka ny fiadiana hamboariny avy ao, ary Izaho no nahary ny mpandrava mba handringana.


Ny tady famolaina hohenjanina mahitsy, eo amin’ny havoan’i Gareba, ka hasangodina ho any Gôà.


Voakapa ny tandrok’i Moaba, ary tapaka ny sandriny, - teny marin’i Iaveh. -


Nony tongany teo amin’io fitoerana io aho, dia nahita lehilahy anankiray, ka ny tarehiny toa nitarehim-barahina no fijery azy; ary kofehy rongony aman-tehina fandrefesana no teny an-tanany, ary teo amin’ny vavahady izy.


Nisy manda ivelany nanodidina ny trano, tamin’ny lafiny rehetra; ary nisy volotara fandrefesana enina hakiho teny an-tanan-dralehilahy; nihoatra vodivoam-pelatanana avy ny iray hakiho. Norefesiny ny hatevin’io rafitra io, ka eran’ny volotara; ary ny haavony, ka eran’ny volotara.


Nony tafavoaka niantsinanana ralehilahy nitondra kofehy teny an-tanany, dia nandrefy arivo hakiho izy, ary nentiny nita ny rano aho, ka hakitrokely ny rano.


Nandrefy arivo hakiho indray izy, dia nentiny nita ny rano aho, ka halohalika ny rano. Nandrefy arivo hakiho indray izy dia nasainy nita ny rano aho, ka havalahana ny rano.


Koa izao no lazain’i Iaveh: Miverina eto Jerosalema amin’indrafo Aho, ka ny tranoko haorina eto indray, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ary ny famolaina hohenjanina amin’i Jerosalema.


Ary nomena volotara toy ny tehina aho, dia nisy nilaza tamiko hoe: Mitsangàna, refeso ny Tempolin’Andriamanitra.


Nitondra volotara volamena fandrefesana ilay niteny tamiko, mba handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny mandany.