Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nanopy maso aho, ka indreo hitako nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nanopy ny masoko aho, ka nahita: dia indreo nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary natopiko ny masoko ka hitako fa indreo, tandroka* efatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afon’arina ka mahavita fitaovam-piadiana hampiasaina amin’izay ilana azy; nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.


Hofaritana ny faritra vaovaon’ny tanàna, ka miankandrefana hatreny amin’ny havoanan’i Gareba, avy eo dia mihodina mankany Gôhà.


Lefy ny herin’i Môaba ary potika ny fahefàny, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Nentiny nankao aho, ka hitako nisy lehilahy iray mitarehina halimo, mitana tady rongony sy volotara fandrefesana sady nijoro teo akaikin’ny vavahady.


Ary indro hitako nisy tamboho iray ivelany manodidina ny tempoly, ary teny an-tanan-dralehilahy ny volotarany izay telo metatra ny halavany. Norefesiny hatevina sy haavo ilay tamboho ka telo metatra avy na ny hateviny na ny haavony.


Nandroso niantsinanana ralehilahy, nitana tady izay nandrefesany dimanjato metatra niantsinanana. Avy eo dia nampita ahy ny rano izy ka hatreny an-kitrokeliko izany.


Dia nandrefy dimanjato metatra indray izy, ary nampita ahy ny rano ka hatreny an-dohaliko izany. Nony afaka dimanjato metatra manaraka dia nampita ahy ny rano indray izy, ka hatreny andilako ny rano.


Taorian’izany dia mbola nijery ny fahitako tamin’ny alina ihany aho ka indro nisy biby fahefatra mahatahotra sy mahatsiravina sady matanjaka aoka izany. Nanana nify vy lehibe izay nihinanany sy namiravirany izy, fa izay sisa tsy laniny dia nohoseny; ary hafa noho ireo biby rehetra teo alohany izy fa nanana tandroka folo.


Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »


Ary nomena volotara tahaka ny tehina fandrefesana aho, dia nilazana hoe: –Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.


Ilay anjely niteny tamiko dia nanana volotara volamena fandrefesana, mba handrefesana ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra