Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 2:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ary nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Inona moa no dikan’ireo tandroka ireo? Dia hoy ny navaliny ahy: –Ireo no firenena matanjaka izay nampihahaka ny mponin’i Joda sy i Israely ary i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka an’i Joda sy an’i Israely ary an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ary nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Inona moa no dikan’ireo tandroka ireo? Dia hoy ny navaliny ahy: –Ireo no firenena matanjaka izay nampihahaka ny mponin’i Joda sy i Israely ary i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Dia hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona moa ireto?» Ary hoy izy tamiko: «Ireo no tandroka nampihahaka an’i Jodà sy i Israely ary i Jerosalema.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary hoy izaho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary hoy aho tamin’ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka an’i Joda sy an’i Israely ary an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 2:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Hofaritana ny faritra vaovaon’ny tanàna, ka miankandrefana hatreny amin’ny havoanan’i Gareba, avy eo dia mihodina mankany Gôhà.


Nentiny nankao aho, ka hitako nisy lehilahy iray mitarehina halimo, mitana tady rongony sy volotara fandrefesana sady nijoro teo akaikin’ny vavahady.


Manaraka ny halavan’io faritra izay natokana ho an’ny Tompo io, dia hamaritana vakim-paritra iray hafa koa izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 2 km sy sasany ny sakany mba hanorenana tanàna iray ahazoan’ny Israelita tsirairay monina.


Koa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza hoe: Haneho indrafo no iverenako eto Jerosalema. Ho voaorina eto indray ny tranoko; ary ho voavoatra indray ny tanàna.› Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia miteny hentitra ny amin’izany. »


Dia nanontaniako ilay anjely niresaka tamiko hoe: –Hoentin’izy ireo aiza moa ity vata?


ankehitriny kosa, mankany amin’Ilay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy intsony aminareo manontany Ahy hoe: «Hankaiza Ianao?»


Ary nomena volotara tahaka ny tehina fandrefesana aho, dia nilazana hoe: –Mitsangàna, ka refeso ny tempolin’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra