Zakaria 1:17 - DIEM PROTESTANTA17 Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201117 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary NY TOMPO hampionona an’i Ziona, ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara17 Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika17 Ataovy antso avo koa izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Mbola hitobaka eto an-tanànako ny harem-be; ary mbola hampionona an’i Siôna i Iaveh, sy mbola hifidy an’i Jerosalema. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’i Ziona ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray. Jereo ny tokoMalagasy Bible17 Miantsoa indray hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an'i Ziona ary mbola hifidy an'i Jerosalema indray. Jereo ny toko |
Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an’i Tsiôna, nampahery azy teo anivon’ny faharavàny rehetra. Ka izany toerana karankaina izany dia novan’ny TOMPO ho paradisa; ary izany tany ngazana izany dia novany ho zaridaina mahavariana. Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.
Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»