Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
Zakaria 10:7 - Baiboly Katolika Fa toy ny mpiady mahery, ry zareo Efraima, hifaly toy ny fifaliana amin’ny divay ny fony; hahita izany ireo zanany, ka hiravoravo, ary hientan-kafaliana amin’i Iaveh ny fon’izy ireo! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho toy ny lehilahy mahery i Efraima, ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; hahita ny zanany ka ho faly; hifaly amin’NY TOMPO ny fony. DIEM PROTESTANTA Ho toy ny mpiady mahery ireo lehilahin’i Efraîma, ary ho dibo-kafaliana toy ny azon-divay ny fony. Hahita izany ny zanany, ka ho ravoravo; ary noho Izaho Tompo dia hibitaka ny fony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho toy ny mpiady mahery ireo lehilahin’i Efraîma, ary ho dibo-kafaliana toy ny azon-divay ny fony. Hahita izany ny zanany, ka ho ravoravo; ary noho Izaho Tompo dia hibitaka ny fony. Baiboly Protestanta Malagasy Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin’i Jehovah ny fony. Malagasy Bible Ho toy ny lehilahy mahery Efraima, Ary hifaly toy ny azon'ny divay ny fony; Ny zanany hahita ka ho faly; Hifaly amin'i Jehovah ny fony. La Bible en Malgache Ho toy ny lehilahy mahery i Efraima, ary hifaly toy ny azon’ny divay ny fony; hahita ny zanany ka ho faly; hifaly amin’NY TOMPO ny fony. |
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.
mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.
mba tsy hanaovan’ny fahavaloko hoe: «Resiko izy!» ka tsy hifalian’ny mpanohitra ahy, mahita ahy mangozohozo.
I Iaveh no heriko sy ampingako; Izy no nitokian’ny foko. Efa voavonjy aho. Ka misomebin-kafaliana ny foko. Ka hidera Azy amin’ny hirako aho.
fa Izy no ataon’ny fontsika foto-pifaliana, fa ny Anarany masina no ataontsika fototry ny fitokiantsika.
Aoka hiharihary amin’ny mpanomponao ny asanao, mbamin’ny voninahitrao, ho an’ny taranany!
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany: Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy; dia i Iaveh izay nantenaintsika. Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny.
Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.
Homeko fo iray izy ary hampombaiko lalana iray mba hatahorany Ahy mandrakariva, hiadanan’izy mbamin’ny taranany mamdimby azy.
Honina eo amin’ny tany nomeko an’i Jakôba mpanompoko sy nonenan’ny razany, izy ireo; dia honina eo izy mbamin’ny zanany sy ny zanaky ny zanany mandrakizay, ary i Davida mpanompoko no ho mpanapaka azy mandrakizay.
Ary ianareo, ry zanak’i Siôna, aoka hientan-kafaliana sy ho ravoravo ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo; fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina, ny andro alatsany ho anareo, dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
Fa izaho dia te hiravoravo amin’i Iaveh, te hientan-kafaliana amin’ny Andriamanitry ny famonjena ahy.
Mihobia, ry zanaka vavin’i Siôna! manaova feo firavoravoana, ry Israely! Mifalia sy miraharahà amin’ny fonao rehetra, ry zanaka vavin’i Jerosalema.
Amin’izany andro izany, i Iaveh hanangana manda manodidina ny mponina ao Jerosalema, ary izay mangozohozo eo amin’izy ireo, dia ho tahaka an’i Davida amin’izany andro izany, ary ny taranak’i Davida ho tahaka an’Andriamanitra, dia ho tahaka ilay Anjelin’i Iaveh, eo anoloan’izy ireo.
Harovan’i Iavehn’ny tafika izy ireo; ka handevona, hanitsakitsaka ny vaton’antsamotady, hisotro, hihavatràvatra toy ny azon-divay, ary ho feno toy ny kapoaka fisoronana, toy ny tandroky ny ôtely.
Endrey izany fandrosoana, endrey izany hatsaran-tarehin’izy ireo! Ny vary, hampitombo ny zatovo, ary ny divay vaovao, hampitombo ny virjiny.
Manana alahelo koa ianareo ankehitriny, nefa ho hitako indray ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanesotra ny hafalianareo.
fa notanterahin’Andriamanitra tamintsika zanak’izy ireo izany, tamin’ny nananganany an’i Jesoa ho velona, araka izay voasoratra amin’ny Salamo faharoa hoe: Zanako Ianao; Izaho no niteraka Anao androany.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby, ary ny nofoko hitombina amin’ny fanantenana,
Satria ho anareo no nanaovana ny fampanantenana, sy ho an’ny zanakareo, ary ho an’izay rehetra any lavitra any, rehefa mety ho nantsoin’ny Tompo Andriamanitsika.»
Tia Azy ianareo, na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza; mino Azy ianareo na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy; izany no iontanan’ny fonareo amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
Ary nivavaka i Anà ka nanao hoe: «Ny foko misomebin-kafaliana amin’i Iaveh, ny tandroko nasandratr’i Iaveh, ny vavako misokatra hamely ny fahavaloko; fa mifaly amin’ny famonjenao aho.