Kanjo nahemotr’ilay zaza ny tanany, ka indro fa ny rahalahiny no nivoaka. «Akory ity fibosesehana nataonao, hoy ny mpampivelona.» Dia natao hoe Faresa ny anarany.
Rota 4:12 - Baiboly Katolika Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity! DIEM PROTESTANTA Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity! Baiboly Protestanta Malagasy ary ho tahaka ny taranak’i Fareza, izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’i Jehovah anao amin’ity vehivavy ity. Malagasy Bible ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity. La Bible en Malgache Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity! |
Kanjo nahemotr’ilay zaza ny tanany, ka indro fa ny rahalahiny no nivoaka. «Akory ity fibosesehana nataonao, hoy ny mpampivelona.» Dia natao hoe Faresa ny anarany.
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
I Thamara, vinanto vavin’i Jodà, niteraka an’i Faresa sy i Zarà taminy. Dimy ny lahy rehetra, zanak’i Jodà.
Moa tsy iray no nataony misy nofo sy aina? Ary io iray io, inona no tadiaviny? - Nitady taranaka araka an’Andriamanitra izy. Ka mitandrema tsara ny fitondran-tenanareo, fa aza misy mamitaka ny vadin’ny fahatanorany.
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna; i Esrôna niteraka an’i Arama;
Izao no taranak’i Faresa niteraka an’i Esrôna: I Esrôna niteraka an’i Arama, i Arama niteraka an’i Aminadaba, i Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, i Nahasôna niteraka an’i Salmôna, i Salmôna niteraka an’i Booza, i Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia, i Isaia niteraka an’i Davida.
Ary i Helì nitso-drano an’i Elkanà mivady ka nanao hoe: «Homen’i Iaveh taranaka amin’ity vehivavy ity anie ianao noho ny fanomezana nataony ho an’i Iaveh.» Dia lasa nody izy ireo.