Romana 4:3 - Baiboly Katolika Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: «Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? «Ary nino an’Andriamanitra i Abrahama ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6). DIEM PROTESTANTA Fa inona tokoa moa no voalazan’ny Soratra Masina? «Nino an’Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa inona tokoa moa no voalazan’ny Soratra Masina? «Nino an’Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany!» Baiboly Protestanta Malagasy Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? ,,Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany’’ (Gen. 15.6). Malagasy Bible Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). La Bible en Malgache Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? «Ary nino an’Andriamanitra i Abrahama ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6). |
Notanana ho fahamarinana ho azy izany nataony izany, hatramin’ny taona mifandimby mandrakizay.
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
Dia nanatona izay nilatsaka tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka samy nahazo denie iray misesy avy.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony, izay efa fantany rahateo. Tsy fantatrareo va ilay itantaran’ny Soratra Masina ny fitarainan’i Elia tamin’Andriamanitra namely an’i Israely hoe:
Fa famantarana ny famorana, ka dia noraisiny tatỳ aoriana, mba ho tombokasen’ny fahamarinana azony noho ny finoana, fony izy mbola tsy voafora, mba ho rain’ny mpino rehetra izy, na dia ny tsy voafora aza, ka dia hotanana ho azy ireny koa ny fahamarinana;
ary amin’izay tsy miasa, fa mino an’Ilay manamarina ny ratsy fanahy, no tanana ho fahamarinana ho azy ny finoany, araka ny lahatry ny fahasoavan’Andriamanitra.
Fa hoy ny Soratra Masina tamin’i Faraôna: Ny hoentiko mampiharihary ny heriko, sy hanambaràna ny Anarako amin’ny tany rehetra no nananganako anao.
Dia tanteraka ny Soratra Masina hoe: Ary i Abrahama nino an’Andriamanitra ka notanana ho fahamarinany izany, sady nantsoina hoe sakaizan’Andriamanitra izy.
Ary moa ataonareo ho teny foana va ny lazain’ny Soratra Masina hoe: «Tia anareo sy saro-piaro anareo aza ny Fanahy Izay nampitoeriny ao anatinareo?»