Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Romana 4:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa inona tokoa moa no voalazan’ny Soratra Masina? «Nino an’Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? «Ary nino an’Andriamanitra i Abrahama ka nisaina ho fahamarinany izany» (Gen 15.6).

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa inona tokoa moa no voalazan’ny Soratra Masina? «Nino an’Andriamanitra i Abrahama ary nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Izao: «Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka izany no notanana ho fahamarinana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? ,,Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany’’ (Gen. 15.6).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6).

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 4:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Abrama nino ny TOMPO; dia naneken’ny TOMPO azy ho marina izany.


koa izany asa soa izany dia hahatsiarovana azy eo amin’ny taranaka mifandimby ary mandrakizay.


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Dia tonga ireo nilatsaka tamin’ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy.


Tsy novakînareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: «Ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro;


Fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Izay (rehetra) mino Azy tsy mba hangaihay.»


Tsia, Andriamanitra tsy nanary ny vahoakany, izay efa nofidiny rahateo. Ataoko fa fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny tantaran’i Elià, fony i Elià nitaraina tamin’Andriamanitra ny amin’i Israely nanao hoe:


fa ny famorana dia famantarana noraisin’i Abrahama tatỳ aoriana, ho toy ny tombokase manamarika fa neken’Andriamanitra ho marina izy satria nino, dia fony izy tsy mbola voafora. Koa tonga rain’izay rehetra tsy voafora i Abrahama: dia ireo tsy voafora nefa nino ka neken’Andriamanitra ho marina;


Izay tsy manao asa nefa mino an’ilay Andriamanitra mahatonga ireo ratsy fanahy ho marina, dia izany finoany izany no iheveran’Andriamanitra azy ho marina.


Ho an’iza moa izany fahasambarana izany? Ho an’ny voafora ve sa ho an’ny tsy voafora koa? Voatsiahiko teo ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny finoana no nankatoavan’Andriamanitra an’i Abrahama ho marina.»


Ao amin’ny Soratra Masina dia hoy Andriamanitra amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, hoe: «Izao no antony nanandratako anao ho mpanjaka, dia ny mba hanehoako ny heriko ao aminao ary mba hanambarana ny anarako eran’ny tany tontolo.»


Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‹Nino an’Andriamanitra i Abrahama, ka nankatoavan’Andriamanitra azy ho marina izany; ary dia nantsoin’Andriamanitra hoe sakaizany izy».


Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra