Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Obadia 1:4 - Baiboly Katolika

Na hisondrotra ho avo toy ny voromahery aza ianao, ka hametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, dia hampidina anao avy eny Aho, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Na dia miakatra ambony tahaka ny voromahery aza ianao sy mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, dia havariko avy eny ianao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na dia miakatra ambony tahaka ny voromahery aza ianao sy mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, dia havariko avy eny ianao: teny hentitra avy amiko TOMPO izany!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza hianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana, Dia havariko avy eny hianao, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao ka mametraka ny akaninao eny amin’ny kintana dia havariko avy eny ianao, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko



Obadia 1:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»


Nahasodòka anao ny tahotra nampihorohoroanao ny olona sy ny hambom-ponao, ianao izay monina eny an-tsefatsefa-bato, sady mitoetra eny an-tampon-kavoana. Nefa na hataonao avo toy ny an’ny voromahery aza ny akaninao, dia havariko avy any ianao, - teny marin’i Iaveh.-


Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin’i Iaveh. -


Raha mitsofoka ho any amin’ny Seoly izy ireo hotsoahan’ny tanako avy any; raha miakatra any an-danitra, hampidiniko avy any.


Loza ho an’izay manangon-karena tsy an-drariny ho an’ny taranany, hanaovany amin’ny avo dia avo ny akaniny, mba handosirany tsy ho tratry ny loza!