Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
Nomery 9:13 - Baiboly Katolika Raha olona madio sady tsy misy dia nalehany, no tsy mankalaza ny Paka, dia hoesorina amin’ny fireneny izy; noho izy tsy nanolotra ny fanatitra ho an’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry dia hilonjy ny fahotany izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanolotra ny fanomezana ho an’NY TOMPO tamin’ny fotoanany izy; ho meloka izany olona izany. DIEM PROTESTANTA Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah tamin’ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. Malagasy Bible Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. La Bible en Malgache Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanolotra ny fanomezana ho an’NY TOMPO tamin’ny fotoanany izy; ho meloka izany olona izany. |
Raha lehilahy tsy noforàna tamin’ny nofony, dia hoesorina amin’ny fireneny, fa nivadika ny fanekeko.»
«Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.
Tsy tokony hisy lalivay ao an-tranonareo mandritra ny hafitoana, fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonan’i Israely, na vahiny izany na tera-tany.
Na zovy na zovy hanamboatra tahaka an’io na hanosotra izany amin’ny olona tsy fanosotra azy, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Ka na zovy na zovy hanao mitovy amin’izany hanamboloany ny havany, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.»
Hatsingerina aminareo ny fahavetavetanareo, ary holonjoinareo ny sazin’ny nanompoanareo sampy; dia ho fantatrareo fa Izaho no Tompo Iaveh.
Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;
nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;
Raha misy lehilahy mandry amin’ny vadin-drahalahin-drainy, dia nanokatra ny fitanjahan-drahalahin-drainy izy, ka hilonjy ny helony izy roaroa.
Hitandrina ny didiko izy ireo, sao hahazo ota ny amin’izany, na ho fatin’ny fanamavoan’ny zava-masina. Izaho no Iaveh manamasina azy.»
Ary hiteny amin’ny zanak’i Israely ianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony;
Izay hikasika faty, dia ny vatan’olona efa maty, nefa tsy hanadio tena, dia mandoto ny Fonenan’i Iaveh, ka hoesorina amin’i Israely izany olona izany. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto ary ny fahalotoany dia mbola eo aminy ihany.
Fa ny olona izay tonga maloto, nefa tsy manadio tena, dia hoesorina amin’ny fiangonana, satria mandoto ny Fitoerana masin’i Iaveh. Satria tsy nofafazana ny rano manafaka ny loto izy, dia maloto.
«Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»
Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,
hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,
nefa nivadika, dia hataon’ireny ahoana ny hohavaozina indray ho amin’ny fibebahana, nefa anie mamàntsika ny Zanak’Andriamanitra amin’ny Hazofijaliana indray izy ireo, sady manolotra Azy halàm-baraka?
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.