Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 5:21 - Baiboly Katolika

dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona amin’ny fianianam-panozonana, ka hanao aminy hoe: ‹Aoka i Iaveh hahatonga anao ho fanozona sy ho fisahato eo amin’ny firenenao, ka hampifezaka ny ilànao sy hampivonto ny kibonao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona mba hiozona ka hiteny aminy hoe: NY TOMPO anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’NY TOMPO ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia hataon’ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin’ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia hataon’ny TOMPO ohatry ny fanozonana sy fianianana eo amin’ny firenenao anie ianao; hataony momba koa anie ianao ary hampivontosiny ny kibonao;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona mba hiozona, ka hanao aminy hoe: Jehovah anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin'ny firenenao, amin'ny fampifezahan'i Jehovah ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona mba hiozona ka hiteny aminy hoe: NY TOMPO anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’NY TOMPO ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;

Jereo ny toko



Nomery 5:21
9 Rohy Ifampitohizana  

ary ianao hotsindrian’aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin’ny aretina, mandritra ny andro maro.»


Ny vahoaka sisa, ny mpisorona, ny levita, ny mpiandry varavarana, ny mpihira, ny Natineanina, ary izay rehetra nisaraka tamin’ny vahoakan’ny tany, hanaraka ny lalàn’Andriamanitra, mbamin’ny vadin’ireo, ny zanany lahy aman-janany vavy,


Ny fahatsiarovana ny marina, dia ankasitrahana azy, fa ny anaran’ny ratsy fanahy kosa, lo no alehany.


ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko; ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.


Izy ireo dia hangalana fomba fanozonana, eo amin’ny babo, avy any Jodà, izay ao Babilôna, toy izao: Aoka ianao hataon’i Iaveh tahaka an’i Sedesiasa sy i Akaba, izay nendasin’ny mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny afo.


Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.


Ary tamin’izay dia sady niozona izy no nianiana fa tsy fantany izany lehilahy izany. Niaraka tamin’izay naneno ny akoho,


Tamin’izany andro izany i Jôsoe nianiana nanao hoe: «Ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izay olona hitsangana hanorina indray ity tanànan’i Jerikô ity; ny lahimatoany no hanefany ny sazin’ny hanorenany ny fotony, ary ny faralahiny no hanefany ny sazin’ny hananganany ny vavahadiny.»


Reraka mafy ny lehilahy amin’i Israely tamin’izany andro izany. Nampianiana ny vahoaka i Saola nanao hoe: «Ho voaozona anie izay lehilahy mihinan-kanina, mandra-paharivan’ny andro, mandra-pamaliako ny fahavaloko». Ka tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray aza.