Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 21:15 - Baiboly Katolika

15 ary ianao hotsindrian’aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin’ny aretina, mandritra ny andro maro.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ary ho azon’ny aretina mafy koa ianao, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-pivoakan’ny tsinainao isanandro isanandro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ary hianao koa ho azon’ny aretina mafy, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-piàlàlan’ny tsinainao isan-andro isan-andro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 ary ho azon’ny aretina mafy koa ianao, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-pivoakan’ny tsinainao isanandro isanandro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:15
11 Rohy Ifampitohizana  

dia indro hokapohin’i Iaveh amin’ny aretina lehibe ny vahoakanao, ny zanakao, ny vadinao, mbamin’ny anananao rehetra;


Ny ozona no notafiny toy ny lamba; miditra ao anatiny toy ny rano, ary maninteraka ny taolany, toy ny diloilo.


Rehefa hampisotroiny azy ny rano, dia izao ny hitranga: raha nanao fahalotoana, ka diso tamin’ny lahy tokoa izy, dia hiditra ao anatiny, mba ho mangidy aminy, ny rano mitondra ozona, hivonto ny kibony, ary hifezaka ny ilany, ka dia fanozona eo amin’ny fireneny izany vehivavy izany.


Nefa nahazo saha tamin’ny tambin’ny otany iny lehilahy iny, ary lavo nihohoka izy ka vaky ny kibony, sady niparitaka ny tsinainy.


Niaraka tamin’izay, dia nisy Anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka maty nohanin’ny kankana.


I Iaveh hikapoka anao amin’ny didran’i Ejipta, fivontosam-body, anakandro, ary hatina tsy lai-panafody.


ka hanjary figagan’ny olona sy fanao angano amam-pihomehezana ianao, any amin’izay vahoaka rehetra hitondran’i Iaveh anao any.


dia hataon’i Iaveh mahatsiravina mihitsy ny loza hamelezany anao sy ny loza hamelezany ny taranakao, loza lehibe sady tsy tapaka, aretina mafy sady tsy azo sitranina.


Fanampin’izany, hataon’i Iaveh mahazo anao koa, ny aretina amam-pery isan-karazany izay tsy voasoratra amin’ny bokin’ity lalàna ity, mandra-paharinganao.


Maraina ianao hanao hoe: Malakia hariva! Hariva ianao hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hampivadi-po anao sy ny zavatra ho hitan’ny masonao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra