Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 21:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ary ho azon’ny aretina mafy koa ianao, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-pivoakan’ny tsinainao isanandro isanandro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ny tenanao ho azon’aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin’ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan’andro isan’andro mandra-piloatra ny tsinainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 ary ianao hotsindrian’aretina mavesatra dia aretin-tsinay mafy dia mafy ka hivoaka ny tsinainao, noho ny hamafin’ny aretina, mandritra ny andro maro.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ary hianao koa ho azon’ny aretina mafy, dia aretina amin’ny tsinainao, mandra-piàlàlan’ny tsinainao isan-andro isan-andro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ary ianao koa ho azon'ny aretina mafy, dia aretina amin'ny tsinainao, mandra-pialàlan'ny tsinainao isan'andro isan'andro noho ny aretina.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:15
11 Rohy Ifampitohizana  

koa dia hataon’ny TOMPO hiharan-doza goavana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ny vadinao sy ny fanananao rehetra.


Ny ozona no tahaka ny lamba itafiany; ka dia hanenika ny tenany tahaka ny rano anie izany ary ho ao anatin’ny taolany tahaka ny tsoka!


Rehefa avy nisotro izy, dia izao no hiseho: raha voaloto izy satria nanitsakitsaka tokoa ny vadiny, dia hiditra ao aminy hanjary mangidy ny rano mitondra ozona ka hampibontsina ny kibony sady hahatonga azy ho momba; ary ho ohatry ny fanozonana eo amin’ny fireneny ravehivavy.


Koa izany lehilahy izany dia efa nahavidy saha ho an’ny tenany tamin’ny vola azony, tambin’ny heloka vitany; potraka nihohoka izy, nipoaka ny kibony ka nivaroraka daholo ny tsinainy.


Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely an’i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin’Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy.


Hamelezan’ny TOMPO anareo, tahaka ny hamelezany an’i Ejipta, ny vay isan-karazany sy ny hatina ary ny hazaka tsy andairam-panafody;


Ho figagàn’ny olona sy ho ambentinteniny ary ho fihomehezany ianareo any amin’ny firenena rehetra izay hitondran’ny TOMPO anareo.


dia fery mahatsiravina, eny fery sy aretina samy màzana sy maharitra ela, no hataon’ny TOMPO mianjady aminareo sy amin’ny taranakareo.


Na ny aretina sy fery isan-karazany tsy voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity aza, dia hoentin’ny TOMPO hamelezana anareo mandra-paharinganareo.


Maraina ianareo hanao hoe: «Malakia hariva!», hariva ianareo hanao hoe: «Malakia maraina!» noho ny tahotra hangeja ny fonareo ary noho ny zavatra ho hitan’ny masonareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra