Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.
Nomery 34:19 - Baiboly Katolika ka izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak’i Jefone, amin’ny fokon’i Jodà, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Ny avy amin’ny fokon’i Joda dia i Kaleba, zanak’i Jefone; DIEM PROTESTANTA Izao avy ny anaran’izy ireo: ho an’ny fokon’i Joda dia i Kaleba zanakalahin’i Jefone; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao avy ny anaran’izy ireo: ho an’ny fokon’i Joda dia i Kaleba zanakalahin’i Jefone; Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no anaran’ireo lehilahy ireo: ny avy amin’ny firenen’i Joda dia Kaleba, zanak’i Jefone; Malagasy Bible Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone; La Bible en Malgache Izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Ny avy amin’ny fokon’i Joda dia i Kaleba, zanak’i Jefone; |
Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.
Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.
Fa i Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin’i Môizy: «Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy.»
Fa i Kaleba mpanompoko kosa, izay nanana hevitra hafa, ary niraikitra tsy nivadika tamiko, dia hampidiriko any amin’ny tany efa nalehany, ary hanana izany ny taranany.
dia tsy hisy hiditra amin’ny tany izay nianianako fa hamponenana anareo, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.
I Jôsoe zanak’i Nona sy i Kaleba zanak’i Jefone no velona tamin’ireo lehilahy nisafo ny tany.
Nandriatra ny fitafiany i Jôsoe, zanak’i Nona, sy i Kaleba, zanak’i Jefôna, anisan’ireo nisafo ny tany,
Fa ireny efa nilazan’i Iaveh hoe: Ho faty any an’efitra; ka tsy nisy sisa intsony tamin’ireny, afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Jôsoe zanak’i Nona.
afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, izy no hahita azy, ary izy sy ny zanany no hanomezako ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tsara an’i Iaveh izy.
Izao kosa ny amin’i Jodà; hoy izy: «Henoy ny feon’i Jodà, ry Iaveh, ary ento hiverina amin’ny vahoakany izy. Ny tanany no hiady ho an’i Israely ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.»