Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 29:35 - Baiboly Katolika

35 Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Dia nanana anaka indray izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy izy: Ankehitriny, hidera NY TOMPO aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Joda. Dia nitsaha-jaza izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

35 Fa mbola bevohòka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: –Amin’ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Fa mbola bevohòka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: –Amin’ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 29:35
13 Rohy Ifampitohizana  

Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba.


Zanak’i Zelfah, ankizivavin’i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakôba, naterany tany Padan-Arama.


Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.


Fa nahery tamin’ny rahalahiny i Jodà ary izy no niavian’ny filoha anankiray, nefa an’i Josefa ihany ny fizokiana.


Manolotra ny sisin-tanin-dRobena hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Jodà.


Ny terak’i Jodà, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,


ka izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak’i Jefone, amin’ny fokon’i Jodà,


i Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;


Izao kosa ny amin’i Jodà; hoy izy: «Henoy ny feon’i Jodà, ry Iaveh, ary ento hiverina amin’ny vahoakany izy. Ny tanany no hiady ho an’i Israely ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra