Nony tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo anefa, niainga i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarôta-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin’ny tany lemak’i Kariataima;
Nomery 32:37 - Baiboly Katolika Ny zana-dRobena nanorina an’i Hesebona, i Eleale, i Kaariataïma, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny taranak’i Robena dia nanorina an’i Hesbona, i Elale, i Kiriataima, DIEM PROTESTANTA Fa ny taranak’i Reobena kosa nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Hesbôna sy i Elehale, i Kiriataîma, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny taranak’i Reobena kosa nanangana indray ireto tanàna ireto, dia i Hesbôna sy i Elehale, i Kiriataîma, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taranak’i Robena nanao an’i Hesbona sy Elale sy Kiriataima Malagasy Bible Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima La Bible en Malgache Ny taranak’i Robena dia nanorina an’i Hesbona, i Elale, i Kiriataima, |
Nony tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo anefa, niainga i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarôta-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin’ny tany lemak’i Kariataima;
Mibadabada i Hesebona sy i Eleale; re hatrany Jahasy ny feony. Noho izany midradradradra ny mpiadin’i Moaba, mangovitra ny fanahin’izy io.
An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;
Noho ny antsoantson’i Hesebona re hatrany Eleale; hatrany Jasà, dia mandefa ny antsoantsony izy ireo; hatrany Segôra ka hatrany Hôrônaima, hatrany Eglata-Selisia, fa mbamin’ny ranon’i Nemrima aza no ho tankina.
noho izany dia indro hotatahako ny lanivoan’i Moaba, hatrany amin’ny tanàna, hatrany amin’ny tanànany, hatrany amin’ny faritry ny taniny, tabihan’ny tany, i Betjesimôta, i Beelmeôna, i Kariataìna.
Izany no nanaovan’ny mpanao tononkira hoe: Midira ao Hesebona ianareo. Aoreno indray ka hamafiso ny tanànan’i Sehôna.
I Nebô ary i Baalmeôna izay samy novany anarana ary i Sabamà, ka samy nomeny ny anarana ny tanàna naoriny.