Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
Nomery 29:11 - Baiboly Katolika Ary osy lahy iray ho sorona noho ny ota; fa tsy hajanona anefa ny sorom-panonerana sy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra momba azy, mbamin’ny fanatitra araraka momba azy.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. DIEM PROTESTANTA Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy. Baiboly Protestanta Malagasy ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. Malagasy Bible ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin'ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana sy ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy ary ny fanatitra aidina momba azy. La Bible en Malgache ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy. |
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
«Ary izao no fomba harahin’i Aarôna raha miditra ao amin’ny fitoerana masina izy: Haka vantotr’ombalahy iray izy, hatao sorona noho ny ota, ary ondralahy iray hatao sorona dorana.
Handray osy lahy hatao sorona noho ny ota izy sy ondralahy iray hatao sorona dorana avy amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely.
Hampanatonin’i Aarôna ny osy lahy iray niharan’ny loka ho an’i Iaveh, ka hatolony ho sorona noho ny ota.
Hataonareo izany ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isam-bolana, mbamin’ny fanatitra momba azy, ary ny fanatitra araraka momba azy araka ny fitsipika voadidy. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.