Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 28:26 - Baiboly Katolika

«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an’i Jehovah hianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an'i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.

Jereo ny toko



Nomery 28:26
13 Rohy Ifampitohizana  

Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.


Hotandremanao ny fetin’ny fijinjana, fetin’ny voaloham-bokatry ny asanao izay nafafinao tany an-tsaha; ary ny fetin’ny fanangonam-bokatra amin’ny faran’ny taona, izay hanangonanao ny vokatry ny asanao tany an-tsaha;


«Hankalazainao ny fetin’ny Herinandro, ny voaloham-bokatra amin’ny fijinjam-bary, ary ny fetin’ny fampakaram-bokatra amin’ny faran’ny taona.»


«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Raha avy izay hahatafidiranareo any amin’ny tany omeko anareo, ka mijinja ny vokatrareo ianareo, dia hitondra amboaram-bary iray amin’ny mpisorona ho santatry ny vokatrareo.


Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»


Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh: vantotr’ombalahy roa, ondralahy iray, zanak’ondry fito, efa iray taona;


«Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.


Tsy izany anefa, fa efa nitsangana avy any amin’ny maty tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry;


Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.