Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 23:8 - Baiboly Katolika

8 Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 fa manatera fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.


Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito hisy fety fankalazana an’i Iaveh.


Ary mandritra ny hafitoana amin’izany fety izany dia hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy, dia ombalahy fito, ondralahy tsy misy kilema, fito, isan’andro avy, amin’ny andro fito, ary osilahy iray isan’andro hatao sorona noho ny ota.


Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:


Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


Amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.»


«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra