Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 23:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 fa manolora fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao raharaha fanompoana ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 fa manatera fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah hafitoana; ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah hafitoana; ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 23:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.


Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO.


Ankoatra izany, isan’andro mandritra ny fito andro, dia hanolotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema hatao sorona dorana manontolo amiko TOMPO izy ary koa hanolotra osilahy iray isan’andro hatao sorona fanalana ny ota.


Ny andro voalohany amin’ireo andro fito ireo, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.


Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra