Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:25 - Baiboly Katolika

25 Amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:25
14 Rohy Ifampitohizana  

Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.


Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy lalivay, ary amin’ny andro fahafito hisy fety fankalazana an’i Iaveh.


Amin’io andro io indrindra no hiantsoanareo ny fety, ary hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo. Lalàna tsy tapaka ho an’ny taranakareo izany, any amin’izay tany rehetra honenanareo.


Tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo, ary hanolotra sorona hatao amin’ny afo ho an’i Iaveh.»


«Andro enina no hiasana, fa ny andro fahafito dia sabata, fitsaharana amin’ny asa rehetra, hasiana fivoriana masina. Tsy hanao asa na inona na inona ianareo, fa fitsaharana voatokana ho an’i Iaveh io, any amin’izay tany rehetra honenanareo.»


Amin’ny andro voalohany hisy fivoriana masina ho anareo, ary tsy hanao asa-mpanompo na inona na inona ianareo.


Mandritra ny hafitoana, hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh ianareo. Ary amin’ny andro fahafito, hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa-mpanompo ianareo, na inona na inona.»


Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


«Amin’ny andron’ny voaloham-bokatra, rehefa hanolotra fanatitra avy amin’ny vokatra vaovao ho an’i Iaveh ianareo, amin’ny fetin’ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona.


«Amin’ny volana fahafito, amin’ny andro voalohan’ny volana, dia hisy fivoriana masina ho anareo; tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Andron’ny feo mikarantsana ho anareo izany.


Amin’ny andro faha 15n’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo. Hanao fety fankalazana an’i Iaveh mandritra ny hafitoana ianareo,


Amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana lehibe ho anareo, tsy hanao asa fanaon’ny mpiasa na inona na inona ianareo.


Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra