Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Nomery 26:53 - Baiboly Katolika «Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isan’ny anarany avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo izany no hizaràna ny tany ho lovany, araka ny isany. DIEM PROTESTANTA –Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Hozaraina amin’ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan’ny olona ao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany. Malagasy Bible Ireo no hizarana ny tany ho lovany, araka ny isany. La Bible en Malgache Ireo izany no hizaràna ny tany ho lovany, araka ny isany. |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.
Nomeny azy ireo ny tanin’ny firenena, ary nahazo nizaka ny vokatry ny asan’ny firenena izy ireo.
Izany no alehan’ireo olona be hambo loatra, mbamin’izay manaraka azy, manaiky ny teniny. - Selà
Amin’ny filokàna no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an’ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loa-jaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin’ny zanak’i Israely, izy ireo, ka filokàna no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin’ny fokon’i Israely.
Ny maro isa homenao ny zaratany bebe kokoa, ny vitsy isa kosa homenao anjara kelikely kokoa, ka dia samy homena ny anjara lovany araka izay voaisa aminy izy.
Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.
«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.
Azon’i Jôsoe avokoa ny tany rehetra, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy, ka nomen’i Jôsoe ho lovan’i Israely, natokony araka ny fokony avy. Dia natsahatra tamin’ny ady ny tany.
Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.
ary tsy hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra anarana ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry ihany.
Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etỳ ambonin’ny tany.»