Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Nomery 23:23 - Baiboly Katolika Noho ny tsy fisian’ny fanandroana eo amin’i Jakôba, Sy ny tsy fisian’ny sikidy eo amin’i Israely, Dia holazaina amin’i Jakôba sy i Israely amin’ny fotoana mety Izay tian’Andriamanitra hotanterahina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy misy fisikidiana eo amin’i Jakoba ary tsy misy fanandroana eo amin’Israely. Fa amin’ny fotoanany no hilazana amin’i Jakoba sy Israely ny asa izay ataon’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa tsy misy fisikidianana eo amin’i Jakoba, Ary tsy misy fankatovana eo amin’Isiraely. Fa amin’ny fotoana no hilazana amin’i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’i Jehovah. Malagasy Bible Fa tsy misy fisikidianana eo amin'i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin'Isiraely. Fa amin'ny fotoana no hilazana amin'i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon'i Jehovah. La Bible en Malgache Tsy misy fisikidiana eo amin’i Jakoba ary tsy misy fanandroana eo amin’Israely. Fa amin’ny fotoanany no hilazana amin’i Jakoba sy Israely ny asa izay ataon’NY TOMPO. |
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
Aoka hanjary moana ny molotra mandainga, izay miteny amin’avonavona hanohitra ny marina amim-piavonavonana amam-paniratsirana.
Azera amin’ny tany izy, voatsingidin’ny vava nalefany izy. Mihifikifi-doha avokoa izay mahita azy.
Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin’ny voalohany, Izaho Iaveh, Izay voalohany, sady ho eo amin’ny farany koa!»
Izaho no mahafoana ny fanambaràn’ny mpaminany mpandainga, mahabedibedy foana ny mpimasy, mampikoy ny olon-kendry, ary manova ny fahaizany ho fahadalana.
Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho.
Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.
Fantatr’i Jesoa anefa ny heviny ka hoy Izy: «Ho rava ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary ho levona ny tanàna rehetra na ny fianakaviana izay miady an-trano.
Ary raha i Belzeboba no androahako ny demony, iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa amin’izany, izy ireo ihany no hitsara anareo.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Dia namory ny mpanolo-tsaina ny lehiben’ny mpisorona sy ny Farisianina ka nanao hoe: «Inona ity ataontsika, fa manao fahagagana maro iny Lehilahy iny?
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny, ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza nahasitrana izay rehetra azon’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentily.
nanao hoe: «Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Raha ny fahagagana nataony aloha, dia fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema miharihary izany, ka tsy azontsika lavina;
Betsaka ny famantarana sy fahagagana natao teo amin’ny vahoaka, tamin’ny tanan’ny Apôstôly. Niara-nipetraka teo ambanin’ny lavarangan’i Salômôna ny mpino rehetra,
Ny Andriamanitry ny fiadanana anie hanorotoro faingana an’i Satana eo ambanin’ny tongotrareo. Ary ho ao aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Ry Iaveh Tompo ô, vao naneho ny halehibeazanao sy ny tananao mahery tamin’ny mpanomponao Ianao, fa na any an-danitra na etỳ an-tany, aiza moa no misy andriamanitra mahefa ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?
Anisan’ireo novonoin’ny zanak’i Israely tamin’ny sabatra koa i Balaama, mpanao hitsakandro, zanak’i Beôra.
ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.