Mika 7:15 - Baiboly Katolika15 Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy any amin’ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta no hanehoako zava-mahagaga aminy. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA15 «–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 «–Toy ny tamin’ny andro nialan’ny vahoakako tany Ejipta, dia hanao zava-mahagaga ho azy Aho.–» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy tany amin'ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Toy ny tamin’ny andro nivoahanao avy tany amin’ny tany Ejipta no hanehoako zava-mahagaga aminy. Jereo ny toko |
Dia hoy i Iaveh: «Indro manao fanekem-pihavanana Aho: Hanao zava-mahagaga eo anatrehan’ny vahoakanao rehetra Aho; ka tsy mbola nisy nanaovana toy izany, na tany aiza na tany aiza, na firenena aiza na firenena aiza; ka ny vahoakanao manodidina anao hahita ny asan’i Iaveh; fa mahatsiravina tokoa ny zavatra hataoko miaraka aminao.»