Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»
Nomery 1:32 - Baiboly Katolika Ny zanak’i Josefa: ny taranak’i Efraima, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny taranak’i Josefa: Avy tamin’ny taranak’i Efraima, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny taranak’i Josefa: dia avy tamin’ny taranak’i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,– Malagasy Bible Ary tamin'ny taranak'i Josefa: dia avy tamin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, La Bible en Malgache Tamin’ny taranak’i Josefa: Avy tamin’ny taranak’i Efraima, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, |
Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»
izay naterak’i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona ao Ona, dia i Manase sy i Efraima.
ka hoesoriko eo anatrehako ianareo, toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra.»
Ny tendrombohitr’i Esao, ho lasan-dry zareo any Negeba, ary ny tanin’ny Filistinina ho an-dry zareo amin’ny Sefelah; hanana ny faritanin’i Efraima izy ireo, mbamin’ny faritanin’i Samaria; ary ny any Benjamina hahalasa an’i Galaada.
Ny amin’i Josefa dia hoy izy: «Tahin’i Iaveh ny taniny; azy ny ando fanomezan-tsoan’ny lanitra ny rano amin’ny hantsana lehibe monina ao ambany;
An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».