Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 30:24 - Baiboly Katolika

24 Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: NY TOMPO anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Dia nataony hoe Jôsefa ny anarany, sady niteny izy hoe: –Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Dia nataony hoe Jôsefa ny anarany, sady niteny izy hoe: –Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: NY TOMPO anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:24
14 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa niteraka an’i Josefa i Rasela, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Avelao aho handeha, hody any amiko sy any amin’ny taniko.


Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina.


Izao no tantaran’i Jakôba. Rahefa fito ambin’ny folo taona i Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin’ireo zanak’i Bala sy tamin’ireo zanak’i Zelfah vadin-drainy; nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo i Josefa.


Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.


I Josefa no mpanapaka ny tany ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Nony tonga ny rahalahin’i Josefa dia niankohoka tamin’ny teo anatrehany.


Ary ianao, ry zanak’olona, makà hazo iray, asio soratra hoe: «Ho an’i Jodà sy ho an’ny zanak’i Israely tafakambana aminy.» Dia makà hazo iray hafa koa, asio soratra hoe: «Ho an’i Josefa; ka ho hazon’i Efraima sy ny taranak’i Israely rehetra tafakambana aminy izany.»


12.000 avy amin’ny fokon’i Zabolôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Josefa, ary 12.000 avy amin’ny fokon’i Benjamina no voaisy fitomboka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra