Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 30:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Dia nataony hoe Jôsefa ny anarany, sady niteny izy hoe: –Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: NY TOMPO anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Dia nataony hoe Jôsefa ny anarany, sady niteny izy hoe: –Enga anie ka mbola hanampy zanakalahy iray hafa ho ahy ny TOMPO!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:24
14 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa avy niteraka an’i Jôsefa i Rahely, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: –Alefaso hiverina any an-tanindrazako aho.


I Jôsefa sy i Benjamîna kosa no zanany tamin’i Rahely.


Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.


Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.


I Jôsefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin’ireo olon’ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jôsefa ireo rahalahiny.


«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: ‹I Joda sy ny Israelita amin’io fanjakana io.› Avy eo, makà tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: ‹I Jôsefa (na Efraîma) sy ny Israelita amin’io fanjakana io.›


Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jôsefa: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna: 12 000 no voaisy tombokase.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra