Nomery 1:24 - Baiboly Katolika Ny taranak’i Gada, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rehefa nisaina ny anarany hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny taranak’i Gada, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny taranak’i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalfea hanafika,– Malagasy Bible Ary tamin'ny taranak'i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, La Bible en Malgache Tamin’ny taranak’i Gada, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika, |
I Gada dia poritin’andian’olona mitam-piadiana; Nefa mba poritiny amin’ny ombalahin-tongony koa indray ireny.
Teny mamely ny taranak’i Amôna. Izao no lazain’i Iaveh: Tsy manan-taranaka va i Israely? Tsy manan-kandova va izy? Ahoana no nangalan’i Melkoma an’i Gada ho azy, sy nakan’ny vahoakany fonenana eo amin’ny tanànany?
Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan’ny zanak’i Israely, araka ny tenin’i Môizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.