Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 1:22 - Baiboly Katolika

Ny terak’i Simeôna, ny taranak’ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ny voasoratra ho isan’ireo, rehefa nisaina ny anarany isam-batan’olona, ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatàm-piadiana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taranak’i Simeona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voaisa, araka ny anaran’ny tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay azo alefa hanafika,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tamin’ny taranak’i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny taranak'i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taranak’i Simeona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voaisa, araka ny anaran’ny tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay azo alefa hanafika,

Jereo ny toko



Nomery 1:22
11 Rohy Ifampitohizana  

Nanana anaka indray izy dia tera-dahy, ka nanao hoe: «Ren’i Iaveh fa nankahalaina aho, ka nomeny an’ity koa, dia nataony hoe Simeôna ny anarany.»


Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany. Nony niverina nankeo amin’izy ireo izy dia niteny taminy, sy naka an’i Simeôna tamin’izy ireo ary nampamatotra azy teo imasony.


Zanak’i Simeôna: I Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîhna, i Sôhara ary i Saola, zanak’ilay vehivavy Kananeanina.


Nataon’i Davida. Hisaorana anie i Iaveh Vatolampiko, izay nampianatra ny tanako hiady, ary ny rantsan-tanako hiantafika.


dia nisy 46.500 no voasoratra ho isan’ny fokon-dRobena.


dia nisy 59.300 no voasoratra ho isan’ny fokon’i Simeôna.


12.000 avy amin’ny fokon’i Simeôna; 12.000 avy amin’ny fokon’i Levi; 12.000 avy amin’ny fokon’i Isakara;