Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
Nehemia 1:4 - Baiboly Katolika Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa nandre izany teny izany aho dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra DIEM PROTESTANTA Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Malagasy Bible Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra La Bible en Malgache Rehefa nandre izany teny izany aho dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra |
Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida sady nifady hanina; ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
noho ianao natahotra sy nanetry tena teo anatrehan’i Iaveh, tamin’ny nandrenesanao izay tononiko hanjò ity fitoerana ity sy ny mponina ao aminy, fa hoe ho tonga fitairana sy fanozona izy, ary noho ianao nandriatra ny fitafianao sy nitomany teo anatrehako, dia efa nihaino anao kosa Aho. - teny marin’i Iaveh:
Fa nanao lampihazo varahina i Salômôna, dia natsangany teo afovoan’ny kianja: dimy hakiho ny lavany, dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. Niakatra teo izy, dia nandohalika nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra, sy nanandratra ny tanany hanandrandra ny lanitra,
«Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa: Efa nomen’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany, ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy, any Jerosalema any Jodà.
Raha mbola nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Esdrasa nanao izany fivavahana amam-pieken-keloka izany, dia nisy vahoaka Israelita maro be, lehilahy sy zaza amam-behivavy nivory teo aminy; fa samy nirotsaka be ihany ny ranomason’ny vahoaka.
Vao nandre izany aho dia norovitiko ny akanjoko sy ny kapaotiko, norombotako ny volondohako aman-tsomotro, dia tafatombina nivarahontsana teo aho.
Efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva aho, vao tafarina tamin’ny fahoriako, amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako nankany amin’i Iaveh Andriamanitro, nanao hoe:
Fa namaly azy aho, ka nanao taminy hoe: «Ny Andriamanitry ny lanitra no hanambina anay, ka dia hitsangan-kanorina izahay mpanompony; ary raha ianareo, dia tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema ianareo.»
Teo amoron’ny onin’i Babilôna, dia nipetraka sy nitomany izahay, nahatsiaro an’i Siôna.
Ka izao no navaliny azy ireo: «Hebrio aho, ary i Iaveh, Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny tany aman-dranomasina, no ivavahako».
Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina; satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.