Nehemia 1:5 - Baiboly Katolika5 nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitry ny lanitra ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra ô, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po amin’izay tia Anao sy mitandrina ny didinao anie, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA5 ka nanao hoe: –Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin’izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 ka nanao hoe: –Indrisy, ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra! Mitandro ny fanekempihavanana sy famindrampo Ianao amin’izay mitia Anao sy mitandrina ny didinao; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, Jereo ny tokoMalagasy Bible5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 ka hoy aho hoe: Indrisy! RY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, izay mitandrina ny fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, Jereo ny toko |
Nony nijery aho, dia nitsangana nilaza izao tamin’ny lehibe sy ny andriambaventy ary ny vahoaka sisa hoe: «Aza matahotra eo anatrehan’ireny ianareo! Fa ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy; ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy ary ny vadinareo sy ny ankohonanareo.»
«Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sy mahery sady mahatahotra, Ianao izay mitana ny fanekena sy ny famindram-po, dia aoka tsy ho zavatra kely eo imasonao ny fahoriana rehetra efa nanjò anay dia ny tenanay, ny mpanjakanay, ny lehibenay, ny mpisoronay, ny mpaminaninay, ny razanay, ary ny vahoakanao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asiria, ka mandrak’izao anio izao.