Nehemia 1:4 - Baiboly Protestanta Malagasy4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20114 Rehefa nandre izany teny izany aho dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA4 Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara4 Rehefa nandre izany vaovao izany aho, dia nipetraka nitomany sy niferinaina andro maromaro sady nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’Andriamanitry ny lanitra Jereo ny tokoBaiboly Katolika4 Vao nandre izany zavatra izany aho dia tafatombina nitomany ny nisaona andro maro. Nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ny Andriamanitry ny lanitra aho, Jereo ny tokoMalagasy Bible4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra Jereo ny toko |
satria nino anatra hianao ka nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, raha nandre izay nolazaiko ny amin’izay hanjo ity tanàna ity sy ny mponina eto–dia ny handravana azy sy ny hahatongavany ho fanozonana–ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako hianao, dia Izaho kosa efa nihaino, hoy Jehovah.
fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’io izy ka nandohalika teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra