Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ary nisaotra an’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina, mba haka ny zana-drahalahin’ny tompoko ho an’ny zanany.
Mpitsara 7:15 - Baiboly Katolika Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita! DIEM PROTESTANTA Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa ren’i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin’ny tobin’ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tànanareo ny tobin’ny Midiana. Malagasy Bible Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana. La Bible en Malgache Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita! |
Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ary nisaotra an’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina, mba haka ny zana-drahalahin’ny tompoko ho an’ny zanany.
Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»
dia nanonofy izahay, indray alina, ka samy nanana ny nofiny izaho sy izy, samy araka ny hevitry ny nofiny avy.
Hoy izy taminy: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tananareo ny fahavalonareo, ny Moabita.» Dia nidina nanaraka azy ireo, ka azony ny fitàna an’i Jordany tandrifin’i Moaba, ary notapahiny tsy hitan’olona na dia iray aza.
Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.
ka henoy izay lazain’izy ireo, ary amin’izay dia hihahery ny tananao ka hidina eny an-toby ianao.» Dia nidina niaraka tamin’i Farà mpanompony izy, ka tonga hatrany amin’ny mpiambina tsy aman’afo, eo alohalohan’ny toby.
Dia izao no navalin’ilay namany manao hoe: «Tsy inona izany fa ny sabatr’i Jedeôna, zanak’i Jôasy, lehilahy Israelita; efa voatolotr’Andriamanitra eo an-tanany i Madiàna sy ny toby rehetra.»
Nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trômpetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny,
Dia hoy i Jedeôna: «Aoka àry, fa rehefa voatolotr’i Iaveh eo an-tanako kosa i Zebea sy i Salmanà dia hataoko hoto amin’ny tsilo any an’efitra sy amin’ny roy ny nofonareo».
Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’i Iaveh; nafoy ho an’i Iaveh izy amin’ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.
Ary niteny tamin’i Jônatasy sy ny mpitondra fiadiany ny miaramila amin’io antokony io nanao hoe: «Miakara atỳ aminay, fa hataonay mahita raha ianareo». Dia hoy i Jônatasy tamin’ity mpitondra fiadiany: «Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika izy ireo».