Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 7:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nony ren’i Jedeôna ny filazana ny nofy sy ny heviny, dia niankohoka izy; ka nony tafaverina tany amin’ny tobin’i Israely, dia hoy izy: «Mitsangàna ianareo, fa efa natolotr’i Iaveh eo an-tanantsika ny tobin’i Madiàna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary rehefa ren’i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin’ny tobin’ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tànanareo ny tobin’ny Midiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Rehefa ren’i Gideona ny filazany ny nofy sy ny heviny dia niankohoka nivavaka izy. Avy eo izy dia niverina ho any amin’ny tobin’ny Israely ka nilaza hoe: Mitsangàna! Efa natolotry NY TOMPO eo an-tananareo ny tobin’ny Midianita!

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 7:15
15 Rohy Ifampitohizana  

Nandohalika aho hitsaoka ny TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ary nisaotra Azy noho ny nitondrany ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko mba ho an-janany.


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.


Samy nanonofy izahay roa lahy indray alina, ary samy nanana ny heviny avy koa ny nofinay.


sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza.


Ary hoy i Debôrà tamin’i Baràka: –Andao amin’izay fa anio no hanoloran’ny TOMPO an’i Siserà eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabôra i Baràka narahin’ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.


Ho renao any izay ambaran’ny olona, dia hanana herimpo hanafika ianao. Dia nidina niaraka tamin’i Porà mpanompony i Gidehôna hatreo amin’ny mpiambina lohalaharana eo amin’ny toby.


Fa namaly azy ilay namany ka nanao hoe: –Tsy zavatra hafa no asehon’izany fa ny sabatr’i Gidehôna, ilay Israelita zanakalahin’i Jôasy. Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tanany isika miaraka amin’ny toby manontolo.


Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny.


Dia hoy i Gedehôna hoe: –Ho hitanareo izany fa rehefa hatolotry ny TOMPO eo an-tanako i Zebaha sy i Tsalmonà, dia horovitiko amin’ny tsilo sy songosongo avy any an-taniefitra ny hoditrareo.


Koa anjarako kosa ny manolotra azy ho an’ny TOMPO; eny, mandritra ny androny rehetra, dia ho an’ny TOMPO izy. Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy mianakavy.


Niantso mafy an’i Jônatàna sy ny mpanompony ireo miaramila filistinina ka nanao hoe: –Miakara mankatỳ aminay, fa misy zavatra holazainay aminareo. Dia hoy i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Miakara manaraka ahy fa efa natolotry ny TOMPO horesen’i Israely ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra