Genesisy 24:48 - Baiboly Katolika48 Ary dia niondrika aho, ka niankohoka teo anatrehan’i Iaveh ary nisaotra an’i Iaveh Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina, mba haka ny zana-drahalahin’ny tompoko ho an’ny zanany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201148 Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko, ho an’ny zanany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA48 Nandohalika aho hitsaoka ny TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ary nisaotra Azy noho ny nitondrany ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko mba ho an-janany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara48 Nandohalika aho hitsaoka ny TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, ary nisaotra Azy noho ny nitondrany ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko mba ho an-janany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy48 Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah, dia nisaotra an’i Jehovah, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin’ny làlana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko, ho an’ny zanany Jereo ny tokoMalagasy Bible48 Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny lalana marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany Jereo ny tokoLa Bible en Malgache48 Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO ary nisaotra NY TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama tompoko, izay nitondra ahy tamin’ny lalana marina haka ny zanakavavin’ny rahalahin’ny tompoko, ho an’ny zanany. Jereo ny toko |