Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:21 - Baiboly Katolika

Ny ranon-driaka Sisaona no nanakodia ny fatin’ireny, dia ny ranon-driaka tamin’ny andro fahagola, ny ranon-driaka Sisôna. Mandrosoa an-kasahiana, ry fanahiko ô!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny ony Kisona no nipaoka ireo mpanjaka, ilay ony ela, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Renirano efa nikoriana hatry ny ela, dia ny renirano Kisôna, no nipaoka ny fahavalo. Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Renirano efa nikoriana hatry ny ela, dia ny renirano Kisôna, no nipaoka ny fahavalo. Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery hianao, ry fanahiko!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny ony Kisona no nipaoka ireo mpanjaka, ilay ony ela, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko!

Jereo ny toko



Mpitsara 5:21
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!


Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.


Ianao no mpanjakako, ry Andriamanitro ô! Mandidia ny famonjena ho an’i Jakôba!


I Iaveh no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro, ka hankalazaiko, Sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.


Fa ny tanan’i Iaveh hipetraka amin’ity tendrombohitra ity; ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.


Hahita izany anie ikala fahavaloko, ka ho safo-kenatra anie izy, dia izy ilay nanao tamiko hoe: Aiza izay Iaveh Andriamanitrao? Hibanjina azy ny masoko: amin’izao dia hohitsakitsahina izy, toy ny fotaka eny amin’ny arabe.


ka nasainy nentina avy tany Harôseta-Gôïma ny kalesiny vy sivin-jato mbamin’ny vahoaka rehetra izay tao aminy, ho ao amin’ny ranon-driaka Sisaona.


fa hoentiko ho ao aminao ao amin’ny ranon-driaka Sisaona i Sisarà, lehiben’ny foloalindahin’i Jabìna, mbamin’ny kalesiny sy ny antoko-miaramilany ka hatolotro eo an-tananao».