Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 25:10 - Baiboly Katolika

10 Fa ny tanan’i Iaveh hipetraka amin’ity tendrombohitra ity; ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Fa mipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’NY TOMPO; ary hohosihosena ao amin’izay misy azy i Moaba, tahaka ny fanosihosy ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan’ny TOMPO!» Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan’ny TOMPO!» Fa i Môaba kosa hohosihosena eo amin’ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tànan’i Jehovah, Ary Moaba hohosihosena ao amin’izay itoerany, Dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 25:10
27 Rohy Ifampitohizana  

Ataovy tahaka an’i Madiàna ireo, tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.


Miparitaka i Medmenà, lasa nandositra ny mponina ao Gabima.


Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.


Izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny solofon’i Jese, voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa, dia hotadiavin’ny firenena, ary ho be voninahitra ny fonenany.


Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.


Miantsoa mafy, manaova firavoravoana, ry vehivavy mponina any Siôna, fa lehibe eo afovoanao, Ilay Masin’i Israely!»


fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra, sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.


Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»


Fantatray ny avonavon’i Moaba, ilay fatra-piavonavona, ny rehareha aman’avonavony, ny anjonanjony aman-teny mamitaka.


Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko: Hisonanina ato amin’ny fonenako Aho, dia hijery, toy ny hafanana malefaka raha mamirapiratra ny masoandro, toy ny ranonando amin’ny hafanam-pararano.


Hanomanan’i Iavehn’ny tafika amin’ity tendrombohitra ity ho an’ny firenena rehetra, fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay ela niotrehana, hena matavy sy be tsoka, divay ela niotrehana sy voatantavana.


ka voahosihosin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»


Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.


An’i Moaba. Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Loza ho an’i Nabô, fa rava; safo-kenatra i Kariataima, fa azo; safo-kenatra ny trano mimanda, fa voazera;


tsy misy intsony izay voninahitr’i Moaba! Any Hesebona no hidinihana ny loza hamelezana azy: Andeha hofongorantsika eo amin’ny firenena izy! Ianao koa, ry Madmena, hatao gina; mandeha manaraka eo aoriana ny sabatra.


Nalain’ny Tompo avokoa ny mahery rehetra, izay teto afovoako; niantso tafika hamely ahy Izy, nanorotoro ny zatovo lahiko; nohosihosen’ny Tompo, toy ny eo amin’ny famiazam-boaloboka, ny virjiny, zanaka vavin’i Jodà.


Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Noho i Moaba sy i Seira manao hoe: «Indro ny taranak’i Jodà fa sahala amin’izao firenena rehetra izao ihany.»


Ary 18.000 hakiho ny manodidina azy. Ary ny anaran’ny tanàna hatramin’izay dia hatao hoe: Iaveh no ao.


Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.


Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.


Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra