Mpitsara 5:15 - Baiboly Katolika Miakara amin’i Debôrà, ny andrian’i Isakara, eo anilan’i Baràka i Isakara, teo an-tany lemaka dia voairaka hanaraka azy izy. Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena, nisy fikasana lehibe tao am-po: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! DIEM PROTESTANTA Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny andrianan’Isakara niaraka tamin’i Debora, Dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ny sakeli-dranon’i Robena! Malagasy Bible Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena! La Bible en Malgache Ireo manamboninahitr’Isakara dia niaraka tamin’i Debora. I Baraka dia sahala amin’Isakara, nanezaka an-tongotra nanaraka azy tany an-dohasaha. Tsy nisy farany ny adihevitra teo amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! |
Avy tamin’ny taranak’i Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalana ny tokony hataon’i Israely, 200 lahy samy lohany, mbamin’ny rahalahiny rehetra ambany fahefany.
Dia nifanditra mafy izy roa lahy, hany ka tafasaraka terỳ: i Barnabe moa nitondra an’i Marka, dia niondrana an-tsambo hankany Sipra izy roa lahy.
Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asôsy, fa eo no handraisanay an’i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy.
Manana fahasaro-piaron’Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofom-badin’ny Lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.
Nantsoin’i Baràka ho any Kedesy i Zabolôna sy i Neftalì, ka nisy lehilahy iray alina no rafitra nanaraka azy; ary i Debôrà nandeha niaraka taminy.
Tamin’izay dia hoy i Debôrà tamin’i Baràka: «Mitsangàna, fa anio no andro anoloran’i Iaveh an’i Sisarà ho eo an-tananao. Moa tsy nivoaka teo alohanao va i Iaveh?» Koa nidina avy any an-tendrombohitra Tabôra, i Baràka, ary lehilahy iray alina no nanaraka azy.
Naniraka olona hiantso an’i Baràka, zanak’i Abinaema, tany Kadesa any Neftalì, izy, ka nanao taminy hoe: «Tsy izao va no didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Mandehana mankany an-tendrombohitra Tabôra ianao ary mitondrà lehilahy iray alina amin’ny taranak’i Neftalì sy amin’ny taranak’i Zabolôna hiaraka aminao,
Nahoana no nijanona teo afovoan’ny tanimbolinao ianao, nihaino ny feon-tsodin’ny mpiandry ondrinao? Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena nisy fikasana lehibe tao am-po.