Ny fahamarinan’ny marina, manitsy ny lalany, fa ny ratsy fanahy kosa lavo noho ny faharatsiany.
Mpitsara 20:41 - Baiboly Katolika Ny lehilahy amin’i Israely nifontina taminy, ary ny lehilahy amin’i Benjamina nivadi-po terỳ nahita fa ianjeran’ny loza izy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nitampody ny lehilahin’ny Israely, dia raiki-tahotra ny lehilahin’ny Benjamina, satria hitany fa efa nidiran-doza izy. DIEM PROTESTANTA Nisampotina namely ny Benjaminita tamin’izay ny Israelita. Nivarahontsana ireto Benjaminita satria hitany ny fahavoazana nihatra taminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisampotina namely ny Benjaminita tamin’izay ny Israelita. Nivarahontsana ireto Benjaminita satria hitany ny fahavoazana nihatra taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha niverina ny lehilahy amin’ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy. Malagasy Bible Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy. La Bible en Malgache Ary nitampody ny lehilahin’ny Israely, dia raiki-tahotra ny lehilahin’ny Benjamina, satria hitany fa efa nidiran-doza izy. |
Ny fahamarinan’ny marina, manitsy ny lalany, fa ny ratsy fanahy kosa lavo noho ny faharatsiany.
Ny fahamarinan’ny olo-mahitsy fo mamonjy azy; fa ny olona mpivadika kosa, voafandriky ny haratsiany.
Fandrika no amin’ny heloky ny olon-dratsy fanahy; fa hoby aman-kafaliana kosa no an’ny marina.
Ny ratsy fanahy mihitsoka amin’ny ratsy nataony, ny famatoran’ny fahotany ihany no maningotra azy;
Nangovitra ny mpanota ao Siôna, ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe; «Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe: Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany! Iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo, tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka, ka tsy ho afa-mandositra izy.
Niherika kosa ny tompon-tanànan’i Haia ka nahita ny setroky ny tanàna nisavoana any an-danitra, ary izy ireo tsy afa-nandositra intsony, na ho aiza na ho aiza, fa ny vahoaka nandositra nankany an’efitra nifontina namely azy nanenjika.
Fa izy ireo kosa dia sahy maniratsira ny zava-tsy fantany akory, mova tsy ny biby tsy manan-tsaina natao ho fisambotra sy famono fotsiny, ka dia ho very amin’ny fahalotoany izy ireo: