Raha izy ireo manao hoe: «Avia hiaraka aminay; aoka hanotrika handatsa-dra isika; aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin’ny tsy manan-tsiny.
Mpitsara 14:15 - Baiboly Katolika Ka nony tamin’ny andro fahafito dia hoy izy tamin’ny vadin’i Samsôna: «Taomy ny vadinao hilaza aminay ny hevitry ny ankamantatra, fa raha tsy izany, hodoranay avokoa ianao sy ny ankohonan-drainao. Sa ny hataonareo mafafa no nanasanareo anay?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tamin’ny andro fahafito dia hoy izy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: Kolikoleo ny vadinao mba hilaza ny ankamantatra aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao. Nanasa anay va ianareo mba hanafoananareo izay anananay? Tsy izany va? DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsôna: –Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin’ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin’ny vadin’i Samsôna: –Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin’ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay? Baiboly Protestanta Malagasy Ary nony tamin’ny andro fahafito, dia hoy izy tamin’ny vadin’i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo hianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va hianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? Malagasy Bible Ary nony tamin'ny andro fahafito, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? La Bible en Malgache Ary tamin’ny andro fahafito dia hoy izy ireo tamin’ny vadin’i Samsona: Kolikoleo ny vadinao mba hilaza ny ankamantatra aminay, fandrao hodoranay amin’ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao. Nanasa anay va ianareo mba hanafoananareo izay anananay? Tsy izany va? |
Raha izy ireo manao hoe: «Avia hiaraka aminay; aoka hanotrika handatsa-dra isika; aoka isika hamela-pandrika fotsiny izao amin’ny tsy manan-tsiny.
Fa mitete tantely ny molotry ny vehivavy an’olon-kafa, ary mamy noho ny diloilo ny vavany.
Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo; ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.
Aza mino izay sakaiza ianareo, na matoky izay ifankazarana indrindra: na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza dia tano ny teny ao am-bavanao!
Nivory ny lehilahy amin’i Efraima, ka nandeha nankany Sefôra, nanao tamin’i Jefte hoe: «Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna ianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin’ny tenanao».
Dia hoy ireo taminy: «Ataovy àry izay ankamantatrao, ho henonay». Ka hoy izy: «Izay mihinana no ivoahan’ny fihinana; Ary ny mahery no ivoahan’ny mamy». Hateloana izy ireo tsy nahalala ny hevitry ny ankamantatra.
Dia hoy ny Filistinina: «Iza no nanao izany?» Ka nisy namaly hoe: «I Samsôna, vinanton’ilay Tamnaana; fa nalain’io taminy ny vadiny ka nomeny ny sakaizany.» Dia niakatra ny Filistinina ka nandoro an-dravehivavy mbamin’ny rainy.
Ka niakatra nankany aminy ireo filohan’ny Filistinina, nanao taminy hoe: «Tambatambazo izy, hahalalanao izay itoeran’ny heriny lehibe, sy hahazoanay mandresy azy, mba hamatoranay azy, sy hamolahanay azy, fa samy hanome anao vola zato amby arivo sikla avy izahay rehetra».