Niakatra i Jodà ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany ny Kananeanina sy ny Ferezeanina. Lehilahy iray alina no resiny tao Bezeka.
Mpitsara 11:32 - Baiboly Katolika Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany ireny, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandeha i Jefta nankany amin’ny Amonita mba hiady aminy ary natolotry NY TOMPO teo an-tanany ireo. DIEM PROTESTANTA Dia nihoatra ny sisin-tanin’ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nihoatra ny sisin-tanin’ny Hamônita i Jiftà mba hiady aminy; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanany ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nandeha Jefta nankany amin’ny taranak’i Amona hiady aminy: ary natolotr’i Jehovah teo an-tànany ireo. Malagasy Bible Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo. La Bible en Malgache Dia nandeha i Jefta nankany amin’ny Amonita mba hiady aminy ary natolotry NY TOMPO teo an-tanany ireo. |
Niakatra i Jodà ary natolotr’i Iaveh teo an-tanany ny Kananeanina sy ny Ferezeanina. Lehilahy iray alina no resiny tao Bezeka.
«Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna, dia ho an’i Iaveh ary hatolotro ho sorona dorana izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho».
ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo, sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo. Dia voatery teo anoloan’i Israely ny taranak’i Amôna.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo i Iaveh, dia nomban’i Iaveh izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo tamin’ny tanan’ny fahavalony, tamin’ny andro rehetra niainan’ny mpitsara; satria nalahelo i Iaveh noho ny fitarainany teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.
Nilatsaka tamin’io ny Fanahin’i Iaveh, ka nitsara an’i Israely izy, ary nivoaka hiady; ary natolotr’i Iaveh ho eo an-tanany i Kosana-Rasataîma mpanjakan’i Mesôpôtamia, ka nahery tamin’i Kozana-Rasataîma ny tanany.